CARAVANE MÉDICALE : "SAROBIDY NY AIKO"

Afaka mitoroka amin’ny BFP ireo tratry ny herisetra rehetra


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Manana tolotra manokana ho an'ny vahoaka ny Polisim-pirenena mandritra ity hetsika ity caravane

médicale : "Sarobidy ny aiko" ity. Anisan'izany ny fanentanana momba ny ady atao amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy (VBG), ary ny heloka mamoafady, indrindra fa ny fanararaotana ara-nofo hatao amin'ny zaza. Anisan’ny antom-pisian'ny BFP izany ka afaka mitoroka avy hatrany eny amin'ireo toerana rehetra lalovan'ity Caravane Médicale ireo izay hiharan'ireo tranga ireo. Natomboka omaly Alarobia 26 Febroary ny hetsika tao amin'ny kianjan' Ambohidratrimo. Hitety tanàna sy faritra maro izany, tahaka ny ao Maevatanana, Ambatoboeny, ary Mahajanga. Maimaim-poana avokoa ireo tolotra rehetra ao anatin'ity hetsika sosialy sy fitsaboana ity. Lohahevitra navoitra tamin’ity andiany voalohany ity moa ny hoe : "Fitovian-jo sy Fizakan-tena ho an'ny Vehivavy sy ny Tovovavy Rehetra." Tonga nanokatra izany omaly ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, notronin’ireo vehivavy ministra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
Legende : Vonona hanampy ireo vehivavy sy ankizy ny BFP !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT