CARAVANE MEDICAL FARADOBOKA

Niazo ny lalam-pirenena fahafito, hitsaboana olona maro


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Hanomboka anio Alatsinainy 04 Novambra ilay hetsika Caravane medical faradoboka,

hitetezana faritra maro hitsaboana olona maimaim-poana karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Assocition Fitia, hotronin’ireo mpitsabo Sinoa. Tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha no niainga izany afak’omaly Sabotsy 02 Novambra, manana tanjona hitety distrika telo any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny dia ny ao Antsirabe, Ambalavao ary Toliara. Raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny Profesora Zely Andriamanantany dia ireo zaza amam-behivavy no kendrena hahazo tombontsoa manokana amin’ity hetsika ity, ka ankoatra ny fampisafoana ireo vehivavy bevohoka dia hisy ihany koa ny fanentanana azy ireny mikasika ny fampiasana ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fitsapana tosi-dra, ny fanalana nify sy ireo karazana aretina mpahazo ny olona amin’ny ankapobeny nefa tsy hahafahan’izy ireny manatona tobim-pitsaboana. Fantatra moa fa hisy ihany koa ny fanentanana ny vehivavy sy ny tovovavy mikasika ny herisetra mety mahazo azy any an-tokantrano na eny anivon’ny fiaraha-monina izay nambaran’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka fa tena nitombo avo roa heny tokoa tato ho ato no sady miseho amin’ny endrika tena mampatahotra sy mampivarahontsana.
Pati
Legende : Niazo ny lalam-pirenena fahafito indray ny Caravane Medical faramparany amin’ity taona 2024 ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT