Fahasalamana

Caravane de la santé Olona miisa 8000 mahery no ezahina hahazo tombontsoa


  • Alarobia 08 Jona 2022

Miditra amin’ny andiany fahadimy ny caravane de la santé ahitana karazana fizaham-pahasalamana maro lafy, indrindra fa ho an’ny vehivavy.

Niainga omaly maraina teto an-drenivohitra ary nihazo avy hatrany ny distrikan' i Manjakandriana izany, hetsika izay arahina fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra ihany koa. Anisan'ny mampiavaka ity andiany fahadimy ity ny fisian'ny tolotra fitarafana toy ny "radiographie" sy "mammographie" izay lafo dia lafo ny sarany raha eto an-drenivohitra nefa dia omen'ny Fitondram-panjakana maimaim-poana ho an’ireo izay mila izany. Toerana efatra no hampiantrano ny carnavale medicale izay haharitra herinandro. Aorian'ny distrikan'i Manjakandriana dia ny distrikan’i Brickaville sy ny kaominina Mahavelona (Foulpointe) ao amin’ny Faritra Atsinanana ary hifarana any amin' ny Kaominina Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo izany.Olona mihoatra ny 8000 isa no kendrena hahazo tombotsoa mivantana amin’izany raha araka ny nambaran'ny Prof. Zely Arivelo Randriamanantany, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny manampy betsaka amin’ny fanatanterahana izao hetsika izany ny Fikambanana Fitia, ny DASP eo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika ary ireo mpiaramombon’antoka samihafa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT