Fahasalamana

Boriborintany fahenina Zaza roa matin’ny kitrotro, norarahana ranom-panafody ny tanàna


  • Talata 27 Novambra 2018

Nahitana trangan’aretina kitrotro tany amin’ny fokontany Ambohimiadana atsimo, Boriboritany fahaenina, kaominina Antananarivo Renivohitra ny zoma lasa teo.

 

 

 

  Zaza iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izany  ka tsy  nitazam-potsiny ny kaominin’Antananarivo Renivohitra fa avy hatrany dia nandefa ny ekipa avy tao amin’ny amin’ny BMH (Bureau municipal d’Hygiène), nandraraka ranom-panafody teny amin’ny tranon’ireo niharam-boina. Tanjona amin’izany, raha araka ny fanazavana azo  dia mba hamonoana ireo bibikely sy ny otrikaretina mety hiparitaka manodidina ny trano, hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny daholobe. Araka ny voalazan’ireo mponina manodidina moa dia efa roa izao  ny zazakely maty voan’ity aretina kitrotro tao Ambohimiadana atsimo, tao anatin’ny herinandro izay. Hanamafy ny asa fanadiovana ny Boriborintany fahenina no sady hanentana ny isam-pokontany sy ny isan-tokantrano ihany koa mba samy hanaja izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT