Fahasalamana

BORIBORINTANY FAHADIMY Nodiovina ny tanŕna


  • Zoma 12 Mey 2017

Nanatanteraka fanadiovan-tanŕna ny Boriborintany fahadimy. Niainga teny amin’ny Rond point Alarobia, hatreny amin’ny gara ary nitohy hatrany Ivandry.

Nitarika ny asa ny lehiben’ny Boriborintany Rakoto  Emmanuel Richard niaraka tamin’ireo ekipa teknika sy ireo Equipe Spécialisée d’Assainissement (ESA) avy amin’ny fiadidian’ ny tanànan’Antananarivo. Nodiovina avokoa ireo sisin’ny arabe, notapahina ireo lobolobo sy bozaka ary nosokirina ireo tatatra sy lakandrano. Nalamina ihany koa ny fifamoivozana teny amin’ny toeram-piantsonana teny Ivandry sy ireo mpivarotra amoron-dalana. Ireo ekipa manokana avy ao amin’ny kaominina ireo dia vondron’olona manatanteraka asa isan-karazany toy ny fanadiovana, ny fanalana mpivarotra, ny fisokirana tatatra,…mifandray mivantana amin’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna. Miara-miasa sy mifanampy akaiky amin’ireo Boriborintany izy ireo amin’ny asa rehetra ataony.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT