Fahasalamana

Body Building Tonga eto amintsika i Eric Favre sy Morgan Aste


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Hahazo tombony ireo mpisehatra sy mpankafy ny taranja “Body Building” eto Madagasikara.

 

 Tonga eto amintsika i Morgan Aste, teratany frantsay, izay mitana ankehitriny ny anaran’ny lehilahy matanjaka indrindra maneran-tany, izay mirefy 1,92 m ny haavon’ny lehilahy, 142 kg ny lanjany ary 60 sm ny refin’ny sandriny manodidina. Hiaraka aminy koa i Eric Favre izay mpandraharaha frantsay, anisan’ireo tompondaka tany Frantsa ihany koa eo amin’io resaka « Body Building » io ihany, misehatra eo amin’ny famokarana sy fivarotana fanampin-tsakafo natokana ho an’ny mpanao fanatanjahantena. Hisy atrikasa anio alatsinainy etsy amin`ny Lapan`ny fanatanjahantena etsy Mahamasina hanasana ireo tanora rehetra liana amin’io taranjam-panatanjahantena io. Tafiditra indrindra amin’ny ezaka atao mba hamahoana ny fitaizam-batana eto Madagasikara izany fanomezana hataon’izy mirahalahy izany. Ao anatin’izay ezaka izay indrindra ary dia hisy fandaharam-potoana nomanina hahafahan’izy roalahy ireny mampianatra sy mizara traikefa amin’ireo tanora efa misehatra na tsia eo amin’ny fitaizam-batana.

 

Marigny A. sy Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT