Fahasalamana

Bezara Ernest na Dedesse Ny aretina diabeta no nitarika ny fahafatesany


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Nodimandry omaly tao amin’ny tobim-pitsaboana tsy miankina Samaritain Antsiranana ny mpanankato Bezara Ernest, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Dedesse.

Tamin’ny 25 jolay 1951 izy no teraka izany hoe : 71 taona ankehitriny. Ny aretina diabeta izay nitaiza azy no nitarika ny fahafatesany raha araka ny vaovao azo.Noentina avy hatrany any Anivorano Avaratra any Antsiranana II, toerana niaviany ny razanaRaha tsiahivina kely dia mpanankato nalaza nanomboka tamin’ny taona 1970 i Dedesse ary tsy nety lefy laza mihitsy.Sady mpamoron-kira izy no mpihira no mpitendry zava-maneno ihany koa. Maro ireo hira nahafantarana azy, toy ny "samia mamisavisa", "manantena aho", "Zagnahary tsy aroe", "nankaiza izy ireo", "rôpilany", "makakilaky", izay nahazoany loka nasionaly, "misy farany raha jiaby", Marobe ihany koa ireo mpanakanto malagasy malaza izay novolavolainy sy niara-niasa tamin’Itompokolahy toa an'i Francisko, Sily de Vavatenina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT