Fahasalamana

Betroka Olona 88 matin’ny tazomoka


  • Talata 12 Mey 2020

Mahatratra 88 ny isan’ny matin’ny tazomoka ho an’ireo kaominina 22 any amin’ny distrikan’i Betroka, raha ny vaovao nambaran’ny Solombavambahoaka Nicolas Randrianasolo omaly hariva.

 

 

 

 Antony ny tsy fahampian’ny fanafody hatrizay. Na mbola tsy misy aza ny coronavirus, dia niezaka ny CCO Covid-19 hiara-hisalahy hanampy ny olona any ambanivohitra, raha ny fampitam-baovao. Tsy nisy fanafody ho an’ireo 21 kaominina eny fa ny hatramin’ny teo amin’ny tanàn-dehibe. Ny sabotsy teo vao nisy fanafody tonga tany an-toerana. Nanao antso avo amin’ny hampitomboana hatrany ny fanafody io solombavambahoaka io. Efa nahatratra Hatrany amin’ny 500 latsaka kely moa ny isan’ny maty any amin’ny faritra atsimo noho ny tazomoka, saingy somary takon’ny fiatrehana ny coronavirus.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT