Fahasalamana

Betafo Antsirabe Mbola tsy milamina ny famatsian-drano fisotro


  • Zoma 15 Septambra 2017

Mbola tsy milamina fa voa mainka mikorontana tanteraka ny fitantanana ny famatsian-drano fisotro madio ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Betafo Antsirabe

 

 taorian’ny nialan’ny kaominina any an-toerana tamin’ny  fitantanana izany ka nanomezana azy ny tsy miankina iray. Mijaly ara-pamatsiana rano ny tanànan’I Betafo ankehitriny fa notapahin’ity tsy miankina ity ireo fantsona mitondra izany any an-tranon’olona fa ho soloina vaovao. Nampanantenaina koa ny hametrahana compteur vaovao maimaim-poana nefa compteur efa niasa vidiana 60.000 ariary no kasaina homena ny mpanjifa. Raha mitaraina ny mponina dia hanaovan’ny tompon’andraikitra teny eso manao hoe : “hiady amin’ny Fanjakana ?” ary dia nisy ny fivoriana nitadiavana vahaolana natao  nefa toa lasa tsindry hazo lena tian-kano tsy tian-kano no niseho. Soa fa teo ny Garduc mpiaro ny zo sy ny tombontsoan’ny mpanjifa sampana Vakinankaratra izay tarihan-dRatheo na Ratiariniaina Jean Théobert, izay nijoro nanolotra vahaolana amin’ity raharaha ity ka mba hisian’ny fitoniana aloha sy araka ny fangatahan’ny mponina dia tsara aloha ny hampiantohana ny asa ary hijeren’ny ny tompon’andraikitra ambony ny mahakasika an’io mpitantantana rano vaovao io. Tokony haverina koa, hoy ny Garduc ireo paompin’olona sy ny vahoaka notapahina mba hisitrahan’ny olona rano fisotro madio sy ara-pahasalamana indray.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT