Fahasalamana

Benenitra Faritra Atsimo Andrefana Misy aretina hafahafa mamely ny kilonga madinika


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Amin’ny ankapobeny dia milamina ny any amin’ny distrikan’i Benenitra Faritra Atsimo Andrefana, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana,

Randrianandraina Théophile Christian, fa ny eo amin’ny resaka sosialim-bahoaka eo amin’ny lafaisy fahasalamana no misy indro kely ka efa nandefasanay tatitra any amin’ny  Médecin Inspecteur- n’i Toliara sy any amin’ny Drs sy nifampiresahana nivantana tamin’ny ministra tompon’andraikitra nefa diahanaovako antso avo ny mba hijeren’ny fitondram-panjaka akaiky ny aretina hafahafa mahazo ny zaza an-toerana fa mafana hoditra be izy ireo ka raha tsy voatsabo hainga dia mitarika fahafatesana ho azy ireo, toy izay nitranga tany amin’ny fokontanin’Anlamera any amin’ny kaominin’i Ebara izay nahafatesana ankizy 40  be izao 1 ka htramin’ny 14 taona taona sy tany amin’ny fokontanin’i Bevatry samy any amin’ny distrikan’i Benenitra avokoa izay nahafatesana mpiray tampo 3 sy 8 taona tamin’ny 26 aogositra 2017 teo.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT