Fahasalamana

Befotaka Atsimo Olona 113 matin’ny tazomoka sy fivalanana


  • Zoma 03 Jolay 2020

Olona miisa 113 no naomy ny ainy tany Befotaka Atsimo noho ny tazomoka sy ny fivalanana tao anatin’ny iray volana, raha ny tatitra nataon’ny solombavambahoaka avy any an-toerana.

 

 

 

 

Any amin’ny 56 no namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Bekofafa, ary ny zoma 26 jona no nisy maty farany. 57 no namoy ny ainy tany amin’ny kaominina Ranotsara, ka ny 28 jona teo no nisy namoy ainy farany. Tazomoka sy fivalanana. Efa nanao izay azo natao ny mpiasan’ny fahasalamana, fa betsaka ihany koa ny tsy manantona ny toeram-pitsaboana. Nanao antso avo amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, minisiteran’ny rano,minisiteran’ny mponina ny solombavambahoaka voafidy tany Befotaka Atsimo manoloana ny zava-miseho. Tena mamono olona an-jatony ny tazomoka sy ny aretina hafa, saingy takon’ny coronavirus.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT