Be loatra ny marary dia maty avy eo

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny Malagasy


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Tena tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny 70%-n’ny Malagasy amin’izao.

Ny 30% raha betsaka no mba manana ireny karazana fiantohana isan-tsokajiny ireny miaraka amin’ireo mpiasam-panjakana izay mahazo ilay antsoina hoe : prise en charge. Mihamitombo hatrany anefa ireo olona marary amin’izao. Raha mahatratra 20 isan’andro ohatra ireo marary manatona tobim-pitsaboana tsy miankina iray dia ny 15 amin’ireo manao trosa avokoa fa mbola te ho velona. Ankoatra ny fiovaovan’ny toetr’andro dia anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian-tsakafo, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray. Indray mandeha isan’andro ihany mantsy sisa amin’izao no misakafo ny olona ao anatin’ny tokantrano iray noho ny hasarotan’ny fiainana. Manampy trotraka ireo ny tsy fahampian’ny torimaso ateraky ny adin-tsaina maro samihafa ka miteraka aretina hafa ihany koa. Mbola vola koa anefa raha vantany vao tonga eny amin’ny hopitaly. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona Renim-pianakaviana iray dia nahalany 2 tapitrisa Ar izy vao nahavita nandidy ny hernie ny zanany iray teny amin’ny hopitaly tao anatin’ny 4 andro monja. Maty izay tsy manam-bola vokatr’izany. Mety hanao ahoana araka izany ny mety ho tohin’ny fiainan-dRamalagasy raha izao no mitohy ? Toe-javatra mbola tsy niainana tao anatin’ny 60 taona mihitsy izao tsy fahafahana misakafo ara-dalana sy mitsabo tena izao.
Pati
Legende : Betsaka ireo marary tampoka eny an-dalana tahaka izao nefa tsy manana fahafahana ny hitsabo tena ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT