Fahasalamana

Baolina any Toamasina Miatrana ny mpiasan’ny fahasalamana


  • Talata 17 Novambra 2020

Na any Toamasina aza ny lalaon’ny Barea sy ny Elefanta anio, dia any amin'ny « Fan zone »

 

 

 efa voafaritra mialoha no ahafahan’ny mpanohana mijery, ankoatra ny any an-tokantrano amin’ny alalan’ny fahitalavitra. Ireo mpilalao sy ireo « Staff » ihany no afaka miditra ao amin'ny kianja. Ho fiarovana sy ho fitandroana ny fahasalaman’ny vahoaka eo an-tampo-tanànan' i Toamasina I, dia hisy mpiasan’ny fahasalamana miisa 35 hiandraikitra ny fandaminana sy fanentanana amin’ny fanajana ny fihetsika fototra fiarovana na "gestes barrières" (Fanajana ny elanelana iray metatra, fanaovana aro vava orona, ny fanasana tanana matetika na fampiasana "gel désinfectant", ny tsy fifandraisana tànana..), ary ny vonjy aina izay mety ho atao, hoy ny Minisiteran’ny fahasalamana. Hisy ihany koa ny « ambulances » miisa 3, ka ny roa hitoby ao an-kianja fa ny iray kosa handeha hanodidina ny tanàna ary vonona avy hatrany raha sanatria misy tranga. Iarahana misalahy amin’ny "Pompier" avy ao amin’ny "Commune Urbaine Toamasina" izany. Nanao fanentanana mba hisian’ny fahamailoana hatrany ny Minisitera fa tsy mbola resy ny "Covid-19".

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT