Fahasalamana

Banky Iraisam-pirenena Nanome 41 tapitrisa dolara hividianana vaksiny


  • Alarobia 12 Janoary 2022

Nanolotra famatsiam-bola mitentina 41 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara mba ahafahana mahazo sy misitraka vaksiny hiadiana amin’ny coronavirus sy hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana ny Banky Iraisam-pirenena.

 Tohana ara-bola fanampiny mba hividianana vaksiny sy hitahirizina izany, ary hanapariahana azy manerana ny Nosy io. Ny faran’ny volana desambra 2021 teo no efa nisy ny fifanaovan-tsonia teeo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitry ny fahasalamana, izay nentina nanamafisana ny tetikasa santatra izay efa nankatoavina ny jona 2021 misy famatsiam-bola hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara. Amin’ny alalan’io tohana io tapitrisa dolara io, afaka misitraka vaksiny 1 tapitrisa fatra fanampiny i Madagasikara izay manome 3% mahery amin’ny mponina. Noho ny tohana vao nomen’ny Banky Iraisam-pirenena io dia afaka mividy vaksiny 9 tapitrisa doses sy afaka mitahiry sy mitsinjara izany manerana ny Nosy i Madagasikara. Hisy ihany koa ny hetsika ara-panentanana hitarihana ny olona hanao vaksiny. Hatramin’izao, nahatratra 3 560 000 fatra ny vaksiny efa azon’i Madagasikara. Ny ankamaroany dia azo tamin’ny alalan’ny « Mécanisme Covax ». Ny volana novambra 2021 no nahazo ny andiany voalohany tamin’ny vaksiny azo tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena i Madagasikara. Nisy ny fahatongavan’ny vaksiny Janssen 302 400 tamin’ny alalan’ny AVAT (African Vaccine Trust).
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT