Fahasalamana

AVC, Prostaty, Diabeta Manampy sy manome tanana ny TASA


  • Alarobia 30 Jona 2021

Mirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’izao vanim-potoana mampahazo vahana ny hatsiaka eto amintsika izao.

 Anisann’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny gripa sy ny kohoka. Maro ihany koa anefa ireo olona tratry ny fahatapahana lalan-dra na ny AVC raha araka ny fanazavan-dRanaivoharison, tale jeneralin’ny orinasa TASA Madagascar ankoatra ny fiabeta sy ny prostaty. Manoloana izany dia hanohy ilay fizaham-pahasalamana maimaim-poana mandritra ny 1 volana ho an’ny daholobe indray izy ireo, hita etsy amin’ny 67 ha misy ny foibeny, eny Ivato ary ny eny Ampasampito. Na izany aza anefa hoy ny tale jeneralin’ny TASA dia noferan’izy ireo ho 180 isan’andro ihany ireo olona marary raisina. Maharaka tsara moa ny fanafody ho an’ny TASA ho an’ireo karazan’aretina rehetra ka anisan’ireny ny tazo raha toraka izany ihany koa ny coronavirus. Manotra ihany koa izy ireo ho an’ireo olona avy raisin’ny dokotera ka fantatra fa mila izany. Namoaka teny filamatra vaovao moa ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre amin’izao fanaparitahany ny fitsaboana tanterahiny manerana ny Nosy izao dia ny hoe : “Ny lalako azony sakanana, ny fiainako azony somparana, fa ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy tzy azony foanana.”
Aline R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT