Fahasalamana

« Au Coin du foie gras » Behenjy Tsy misy marary ireo mpiasa hatreto


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena mikasika ilay tera-tany vahiny iray mitondra ny tsimok’aretina “coronavirus” tonga teto amintsika ny 14

 

 

 

Martsa lasa teo ary niverina nody ny 19 martsa lasa teo dia nitondra fanazavana ny teo anivon’ny « Au coin du foie gras »  ao Behenjy, toerana izay nolalovan’ity tera-tany vahiny ity nandritra ny 30 minitra ka nanandramany atin-gana matavy tamin’ny tsiro karazany 5. Marina hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity ny tenin’ny Filoham-pirenena mikasika izany. Na izany aza anefa hoy izy ireo dia manarana ny fenitra iraisam-pirenena hatrany hatramin’izay ka hatramin’izao ny toeram-pisakafoanana tantanany na amin’ny lafiny ara-tsakafo izany na amin’ny fahadiovana. Tsy niandry baiko izy ireo araka izany fa avy hatrany dia nanajana ilay fihibohana mandritra ny 15 andro avokoa ireo mpiasa ao aminy ary tapitra omaly alahady 29 martsa izany. Tsy mbola misy marary ireo mpiasa hatramin’ny fotoana nanoratanay na nahitana soritr’aretina. Na izany aza anefa dia fantatra fa efa nandray ny fepetra mifandraika amin’izany ny mpitantana ny orinasa no sady hanaraka ny lamina napetraky ny fanjakana ihany koa ka anisan’ireny ny fanaovana fitiliana ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT