Fahasalamana

Asan’ny mpampivelona Misedra olana noho ny tsy filaminana


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Mahatratra 3.500 isa ireo mpampivelona voasoratra anarana ara-dalàna ao anatin’ny holafitry ny mpampivelona amin’izao fotoana.

   Tsy ampy anefa io isa io amin’ny ankapobeny na dia efa mamokatra ihany koa aza ny sekoly ambony tsy miankina, hoy Ralamboson Tatavy Amelie,  filoha lefitry ny mpampivelona eto Madagasikara. Anisan’ny antony mampahazo vahana ny renim-pianakaviana hiteraka amin’ny reninjaza izany, ireto farany izay tsy manana traikefa akory momba ny fikarakarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, indrindra fa ny resaka fahadiovana eo am-piterahana. Tsy nianatra ny fahasarotana mety hitranga eo am-piterahana ihany koa ny reninjaza, hoy hatrany Rtoa Tatavy Amelie  antony mahatonga ireo vehivavy  tokony hodidiana efa tena reraka mafy vao entina manatona  hopitaly. Raha ny fanirian’izy ireo anefa dia ny hanafoanana ny fiterahan’ny vehivavy amin’ny Reninjaza, indrindra fa any amin’ireo toerana lavitr’andriana tsy mbola misy mpampivelona.  Vahaolana iray goavana  aroson’ny holafitry ny mpampivelona ny tokony hiarovan’ny fitondram-panjakana ny ain’izy ireny sy ny fananany. Tsy afaka ny hipetra-drery ny mpampivelona na dia manam-piniavana ny hampihena ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny zaza eto amin’ny firenena aza, hoy hatrany ny filoha lefitry ny fikambanana misy azy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT