Fahasalamana

Asan’ny dokotera Tena maro mpisandoka


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Tahaka ny fanao isan-taona dia notanterahina omaly teny amin’ny Live Hotel Andavamamba, ny « journée des médecins ».

 

Hetsika natao indrindra hihaonan’ireo dokotera miasa eto amin’ny faritra  Analamanga. Tanjona ny hampifanakaiky ireo dokotera miasa eto an-toerana sy hifampizarana hatrany ny fitsipika ao anatin’ny asa maha dokotera, indrindra ireo olana isan-karazany sedraina ao anatin’io asa io. Amin’izay indrindra no nanambaran’ny filohan’ny holafitry nasionalin’ny dokotera, Eric Andrianasolo fa mbola betsaka ireo olona misandoka ny asan’izy ireo. Noho izany, dia homena fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana aogositra 2018 ny dokotera rehetra izay tsy mbola nisoratra anarana anaty holafitra mba hanao izany. Sarotra ary maro ireo olona voafitaka amin’ireo dokotera sandoka izay mbola manohy hatrany ny asa ratsiny, hoy ihany ny filoha. Nanambara ihany koa izy fa misy mihitsy ny taratasy avy any amin’ny minisiterany amin’ny tsy maintsy hidirana anaty holafitra. Rehefa izay dia tena ho hentitra izy ireo amin’ireo izay tratra mandika lalàna satria asa masina ny asan’ny dokotera ary aina no lalaovina.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT