Fahasalamana

Arovava Hampianarina ny olon-drehetra ny fanamboarana azy


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Na dia ireo firenen-dehibe nandalovan’ilay tsimok’aretina coronavirus aza dia tsy nahavita nizara maimaim-poana arovava ho an’ireo olona rehetra ao aminy.

 

 

Mitovy amin’izay ihany koa isika eto Madagasikara hoy ny Ministry ny kolontsaina sy ny serasera Rtoa Lalatiana Andriantongarivo. Tsy araky ny fanjakana avokoa hoy izy ny hizarana arovava amina teratany Malagasy miisa 25 tapitrisa na dia misy aza ny fanampiana avy amin’ireo firenen-dehibe sy ny malala-tanana. Manoloana izany dia hampianatra ny isam-baravarana hanamboatra arovava manara-penitra ity ministera iray ity hotronin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony. Mandritra ny fizarana ireo tambim-bava fanampiana azo, eny amin’ireo faritra lalovana no hampianarana izany ka sady mihiboka ny olona hoy ity ministra ity no mianatra manao zavatra ihany koa hiarovany ny ankohonany. Ny Renim-pianakaviana sy ny tanora moa no tena entanina mba hianatra izany, izay fialam-boly mahasoa no sady fahaizana ho an’ny tena ihany koa. Tetsy amin’ny pavillon Analakely no nisantaran’izy ireo ny fizarana izany tambim-bava maimaim-poana izany omaly notronin’ny Minisitry ny varotra.

 

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT