Fahasalamana

ARETIN’NY VOA Mihabetsaka ireo ankizy voany


  • Zoma 03 Mey 2024

Mihatanora hatrany ireo olona lasibatry ny karazana areti-mandoza eto amintsika.

Ankoatra ny Vih/Sida dia fantatra fa manao ny hataony ihany koa amin’izao ny faharerahan’ny voa na ny insuffisance renale. Mihabetsaka ireo ankizy voany raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana, toy ireo mandalo ao aminy. Ankoatra ny fisotroana tambavy fahatany sy ny fihinanana fanafody diso tafahoatra dia notsindriany manokana fa anisan’ny antony hahazoan’ny ankizy ity aretina ity ny fihinanana ody ambavafo be akora simika. Manampy trotraka izany ny tsy fisotroana rano izay tokony hahatratra 1 litatra sy tapany na 2 litatra isan’andro ho an’ny olona iray, ny tsy fahampian’ny torimaso ary ny fitazonana fivalanan-drano ela loatra. Raha vantany vao mandroatra ny fivalanan-drano na miloko mavomavobe na misy fofonabe dia efa fambaran’ny faharerahan’ny voa izay raha ny nambarany. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hihinanana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo sy ny legioma, ny tokony hatoriana mandritra ny ora 8 isan-kalina raha kely arahin’ny fisotroana rano ara-dalana. Tsiahivina moa fa efa niakatra ho 500.000 Ar isaky ny mandeha amin’izao ny manao dialyse indray mandeha raha 210.000 Ar tany amin’ny 2 taona lasa. Mila manao izany indroa na intelo isan-kerinandro anefa ireo olona tratry ny faharerahan’ny voa raha te ho ela velona. Tsy misy afa-tsy ny fisorohana sy ny fitandremana noho izany no vahaolana tsara indrindra.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT