Fahasalamana

Aretin’ny voa Lafo loatra ho an’ny Malagasy ny fitsaboana azy


  • Talata 17 Oktobra 2017

Ankoatra ny aretina homamiadana dia anisan’ny areti-mandoza iray tena atahoran’ny olona ihany koa amin’izao ny aretin’ny voa. Mahatratra 5 tapitrisa Ar isam-bolana mantsy ny vola ilain’ny marary iray mba hanaovany “dialyse” in-telo isan-kerinandro raha miandry fahafatesana kosa rehefa tsy manana.

250.000 Ar isaky ny manao dialyse no vola ilaina hanoloana ireo ra maloto ao anatin’ny marary hanjary ho ra madio. Ny olana anefa raha araka ny fanazavan-dRasohanta Pascaline, filohan’ny federasionan’ny marary voa eto amintsika (FMMIR) dia 130 monja amin’ireo marary miisa 10.000 manerana ny Nosy no mba afaka manao izany raha 20 monja amin’ireo ihany koa no afaka manolo voa any ivelany. Mahatratra 80 tapitrisa Ar mantsy ny vola ilaina raha any Inde no hatao ilay “transplantation”. Ankoatra io dia mbola ilay marary no miantoka ny fandaniana hatao amin’ilay ray na reny niteraka na koa iraitampo izay hakana ilay voa. Raha misy fitaovana anefa eto amintsika eto Madagasikara, hoy hatrany Rasohanta Pascaline  dia 50 tapitrisa Ar  dia efa mahavita ilay “transplantation” satria efa be dia be ireo dokotera malagasy manana traikefa amin’izany. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity aretin’ny voa ity ny filohan’ny FMMIR. Aretina misoko mangina mantsy izy io ary tena mamono olona marobe tokoa. Efa-taona no zandriny indrindra voany raha mihoatra ny 60 taona no zokiny. Tsiahivina fa vokatry ny fiakaran’ny tosidra tsy voatsabo, ny fihinanana menaka be loatra, ny fihinanana tambavy na fanafody  be loatra no mahatonga ny aretin’ny voa. Hankalazaina anio talata 17 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny fanomezana taova.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT