Fahasalamana

Aretin’ny voa Ho maimaimpoana ny fanaovana “dialyse”


  • Talata 25 Jona 2019

“Hojerena ny hanamorana ny fanaovana “dialyse” ho an’ireo marary voa. Ho maimaimpoana ny fanaovana azy noho ny fahatsapana ny fahasahiranan`ny rehetra “, hoy ny filoha Rajoelina.

 

Raha ny zava-miseho eto Madagasikara hatramin`izao, manodidina ny 350 000 ariary ny “dialyse” eny amin`ny hopitaly. Manano sarotra ho an`ny tsy manan-katao io ka hatao maimaimpoana. Hitondra fomba fitantanana vaovao ho an`ny Malagasy izay mitsinjo ny vahoaka, ny fitondram-panjakana. Mba hahafahana mametraka izany dia tsy maintsy mametraka tetikasa sy fomba fiasa. Rehefa nanova ny tetibolam-panjakana dia natao laharam-pahamehana ny fametrahana hopitaly manara-penitra eny anivon`ny distrika sy  fanatsarana CSB II. Betsaka no mijaly amin`ny resaka dialyse. Ankoatra izay, maro ireo “cardiologue” mitaraina ao Befelatanana noho ny fahanteran`ny fotodrafitrasa ka hamboarina hanara-penitra ny hopitaly fitsaboana ary haverina « clinique mobile » amin’ireo kaominina tsy mbola misy hopitaly. Io ny nambaran’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fanolorana fitaovana ho an’ny minisiteran’ny fahasalamana, avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny fanjakana, hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra hiatrehana ny ady amin’ny 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT