Fahasalamana

Aretin’ny vanin-taolana mirongatra Vokatry ny ra maloto, azo sitranina tsy hiverina intsony…


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Maro ireo karazan’aretina mirongatra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Anisan’ny tena mahazo vahana raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo nentim-paharazana (Tradipraticien) Rakotondranaivo Jean Pierre

 ny aretin’ny vanin-taolana toy ny goty sy ny romatisma, ny arthrose…Azo tsaboina tsara anefa ireo aretina ireo hoy izy ary nahazoany alalana manokana ny fampiasana ireo fitaovana mifandraika amin’izany. Vokatry ny ra maloto izay lasa mivaingana no mahatonga ilay aretina raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety hatrany, antony miteraka ilay hotsokotsoka sy fanaintainana any anaty vanin-taolana rehetra any. Tsy mifidy taona ihany koa ireo aretina ireo hoy izy indrindra fa ireo 40 taona no miakatra raha misy 20 taona dia efa tratran’ny romatisma. Maro no tratry ny aretina goty amin’ny vanim-potoana ririnina tahaka izao , izany hoe ny vola mey ka hatramin’ny tapaky ny volana aogositra.eo amin’ny ankihiben-tongotra, vodin-tongotra ary ny lohalika no tena faritra tratra ary tsy tafatsangana herinandro ka hatramin’ny 2 herinandro rehefa tena manaikitra izay izy.
Legende :Sady mivonto tsy homby kiraro no manaintaina be ny tongotra voan’ny goty
Raha voaray an-tanana amin’izao vanim-potoanan’ny mangatsiaka izao anefa ireo olona lasibatr’izany hoy izy dia tsy atahorana hiverina intsony ilay aretina. Ho an’ny TASA Madagascar manokana izay tantanany dia manome antoka fa sitrana 100 % ao aminy ny aretin’ny vanin-taolana raha toa ka izy ireo no mandray an-tanana izany raha eo ihany koa ny AVC, ny diabeta, ny prostaty…Eny amin’ny 67 ha atsimo no misy ny foiben-toeran’izy ireo raha efa ahitana azy ihany koa eny Ivato sy eny Ampasampito.
Aline R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT