Fahasalamana

Aretin’ny vanin-taolana 5 taona ny zaza dia mety efa voan’ny “Rhumatisme”


  • Talata 10 Mey 2022

Fotoana fihetsehan’ny aretin’ny vanin-taolana izao. Anisan’ireny ny romatisma izay fantatra fa 5 taona no zandriny indrindra voany.

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina anefa dia tsy amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ihany no mihetsika ity aretina iray ity. Amin’ny fotoana rehetra mihitsy hoy izy fa tsy mitovy amin’ny goty. Nohazavainy mantsy fa avy amin’ny aretin-tenda, nify goaka tsy voatsabo no mahatonga ny romatisma, miampy ny aretin-koditra izay no mahatonga ireo ankizy madinika ho voany. Tsy avy amin’ny sakafo araka izany no mahatonga ny aretina romatisma fa avy amin’ny viriosy. Vahaolana hahafahana misoroka ity aretina ity araka izany ny fitsaboana haingana ireo karazan’aretina ireo raha vantany vao misy. Mikasika ny goty kosa indray dia nomarihiny manokana fa vokatry ny tsy fahampian’ny singa ao amin’ny vatana mandevina ilay hena matsiro no mahatonga ilay aretina hany ka lasa mivaingana mandehandeha any anaty ra any ireny karazana tsiro ireny.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT