Fahasalamana

Aretin’ny vanin-taolana 1,6 tapitrisa Ar no saran’ny fandidiana


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Aretina mahazo ny olona maro eto amintsika ny aretin’ny vanin-taolana mpahazo ny valahana sy ny lohalika. Mahatratra 200 isan-taona eo ho eo ireo olona tonga manatona tobim-pitsaboana, raha araka ny fantatra saingy ny 30 amin’ireo ihany no afaka mitsabo tena mandalo fandidiana.

Mahatratra hatrany amin’ny 1,6 tapitrisa Ar ny sarany ka tsy zakan’ny sarababem-bahoaka. Amin’ny ankapobeny anefa dia mampalemy ity karazan’aretina iray ity, aretina efa azo hatrany am-bohoka…. Mba ho fitsinjovana ireo marary tsy manana fahafahana ny hanao izany ary dia mararin’ny vanin-taolana miisa 12 no hodidiana maimaim-poana etsy amin’ny hôpitaly HJRA amin’ity herinandro ity. Ny fikambanana Rotary Club no handray an-tanana izany hotronin’ireo ekipany avy any Brest miaraka amin’ny fitaovana arifomba. Sady hampianatra ireo mpitsabo Malagasy no hizara ny traikefany eto amintsika ireo mpandidy avy any Brest ireo ka aorian’ity hetsika ity dia handeha irery amin’izay isika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ireto olona 12 hodidiana ireto moa ireo tena sahirana sy marefo ara-pivelomana indrindra.

 

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT