Aretin’ny ririnina

Zava-dehibe ny fanajàna ireo fepetra ara-pahasalamana


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Efa tsy mila averina matetika intsony ny hoe efa lasa toa an’ireo aretin’ny ririnina rehetra

amin’izao fotoana izao ny COVID 19, hoy ny fanazavàn’ireo mpitsabo. Ny fisehony, hoy ny fanazavàna, no nety niha nalefaka tsy toy ny tamin’izy tafiditra voalohany teto ny taona 2020. Karazana gripa toy ireo mpiseho isaky ny fisian’ny maripàna midina tahaka izao ihany izy io. Mbola zava-dehibe, noho izany, ny fanajàna ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanasàna tanana amin’ny rano sy savony na tsiranoka manadio, ny elanelana sy tsy fifampikasohana be loatra, ny fanaovana arotava ary ho fiarovana amin’ny aretina azo avy amin’ny atao hoe Tsimokaretina na «virus» avokoa izany. Isan’izany ny areti-maso sy gripa maro samihafa. Mbola tafiditra anatin’ny aretin’ny ririnina ihany koa ny karazana tazo avy amin’ny moka toy ny tazomoka sy Chikungunia ary Dingue. Ankoatran’ny fanajàna ireo fepetra ara-pahasalamana voalaza teo noho izany dia ilaina ihany koa ny sarotiny amin’ny fahadiovan’ireo tontolo iainana manodidina amin’ny alalan’ny fanesorana ireo lobolobo sy rano miandrona na ny tahaka izany rehetra, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT