Fahasalamana

Aretin’ny loto Miparitaka ny gripa mahery “Type A H1N1”


  • Zoma 16 Febroary 2018

Tao anatin’ny volana febroary dia nirongatra ny aretin’ny loto, ka taorian’ny “fièvre typhoide”, dia tonga indray ny gripa mahery izay nahatonga ny talem-paritry ny fahasalamana any Toamasina nampanao fitiliana mihitsy teo anivon’ny “Institut Pasteur” Antananarivo.

 Nivaly izany ankehitriny ka fantatra fa gripa antsoina hoe “type A H1N1” ilay izy, saingy tsy misy ifandraisany amin’ilay gripam-borona mpiseho any ivelany izy ity. Mirongatra ity gripa mahery ity izay mbola tsy valan’aretina aloha, hatreto raha tarafina amin’ny fenitra apetraky ny minisiteran’ny fahasalamana noho ireo fepetra eo anivon’ny vondron’ny fahasalamana eran-tany (OMS). Araka ny fanazavan’ireo mpitsabo niantso mpanao gazety nampahafantatra ity vaovao ity, tao amin’ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana omaly alakamisy, nahitana ny dokotera Romeo Razafimandimby sy ny dokotera Daniel Randriamiravonjy ary ny dokotera Ulrich Razafijaona  fa tahaka ny fitrangan’ny gripa mahazatra ihany izy ity, saingy mahery vaika kokoa fotsiny ny aretin’andoha aterany sy ny hafanana entiny ary mety hiteraka aretin-kibo ihany koa ho an’ny marary sasany. Hatreto aloha dia ampy sy misy ny fanafody itsaboana ity gripa mahery ity, saingy tsara ihany ny misoroka azy amin’ny fanarahana ny lalan’ny fahasalamana, amin’ny ara-tsakafo maro loko sy feno otrikaina, mahalala madio ary tsy anao dokotera tena fa manatona mpitsabo avy hatrany raha misy ny tsy azoazo ny fahasalamana. Tsy i Toamasina irery no ahitana olona manana soritr’aretina amin’ity gripa mahery vaika ity fa efa ho irayy volana koa izao no maro ny olona mikohaka, tratry ny aretin’an-doha sy misy hafanana ho an’Antananarivo. Mila fanazavana misimisy kokoa ny olona mba hahafahany maka ny fepetra horaisiny satria mahafaty io karazana gripa io raha tsy misy ny fitsaboana araka ny tokony ho izy. Pesta, gripa dia inona koa izany ny manaraka eo ?

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT