Fahasalamana

Aretin’ny homamiadana Mitombo isa hatrany ireo voany


  • Alakamisy 22 Jona 2017

Tafakatra 94 tapitrisa ireo olona lasibatry ny aretina homamiadana maneran-tany ka ny valo tapitrisa no efa namoy ny ainy.

Ny vehivavy no tena  betsaka indrindra mitondra faisana amin’izany. Ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika eto Madagasikara dia ny 87 %-n’ny vehivavy no efa lasibatr’ity karazan’aretina iray ity ka ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza no tena mahazo vahana. Anisan’ny antony mahatonga izany, araka ny fanadihadiana natao ny fifohana sigara, ny fisotroana toaka, ny loto sy ny fofona miparitaka etsy sy eroa raha tsy latsa-danja amin’ireo ny  fihinanana sakafo be akora simika, ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra ary ny fiterahana maro loatra. Ahiana mbola hitombo hatrany io salan’isa io ho an’ny tany an-dalampandrosoana mandrapahatongan’ny taona 2025 raha tsy misy ny fepetra raisin’ny tsirairay. Nisy ny fanolorana  mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsabo telo tena  mahery fo niady tamin’ity aretina ity teto amintsika tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly, notohanan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT