Fahasalamana

Aretin’andoha Tsy mifidy taona , maro ireo olona voany


  • Talata 13 Septambra 2022

Lasa aretina mitaiza ny Malagasy amin’izao ny aretin’andoha. Tsy hanavahana intsony izy io na olon-dehibe na tanora na ankizy fa saika lasibatra avokoa ny rehetra.

Antony maro no mahatonga ny aretin’andoha raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Rija Mandimbison eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana ary misy karazany maro izy io. Anisan’ireny ny havizanana sy ny harerahan-tsaina ateraky ny hasarotan’ny fiainana. Rehefa samy reraky ny adin-tsaina amin’ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro sy ny fampandehanana ny fiainana mantsy ny tsirairay dia marary an-doha avy hatrany ka misy miakatra mihitsy ny tosi-dra. Ny sasany moa dia misy mamoy ny ainy mihitsy rehefa tonga any amin’ilay antsoina hoe : fahatapahan’ny lalan-dra. Misy ihany koa ireo marary maso. Fa ankoatra ireto farany dia misy ihany koa ireo tratran’ilay kankana any amin’ny ati-doha izay vokatry ny fihinanana ireo karazana legioma manta nambolena tamin’ny zezika misy tain-kisoa. Tsy tokony ho variana amin’ny paracetamol fotsiny araka izany ny olona marary an-doha iray hoy hatrany ity mpitsabo ity fa hijery ny tena fototry ny aretiny sao sanatria hamoizana ny aina izany.
Pati
Legende : Henjana rehefa marary sy manaikitraikitra izay ny ao anaty loha ao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT