Fahasalamana

Aretina vokatry ny hafanana be Ny zaza sy olon-dehibe no tena lasibatra


  • Talata 08 Desambra 2020

Doro tanety izay mahatonga ny faharinganan’ny ala mpisintona orana, ny tany

 

 

karakaina tsy mamokatra intsony vokatr’izany, mitohy amin’ny fahamaroan’ny setroka manimba sosona ozonina, santionany amin’ireo antony maro mahatonga ny hafanana be iainantsika ankehitriny ireo, hoy ny dokotera mpitsabo Fidy Bariniaina. Ankoatry ny firosoana amin’ny mosary dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamana koa izany, hoy hatrany ny fanazavany. Mila misotro rano betsaka satria miteraka tsy fahampian-drano ao anaty vatana izany, hoy izy, ary isan’ny tsy mahazaka izay ny zaza sy olon-dehibe efa antitra. Lasa mora reraka sy manavy ny olona ary mihena ny tanjany amin’ny ankapobeny. Mampirongatra ny aretina efa anatin’ny olombelona koa io ary mahakamo miasa saina. Mbola misy ny Coronavirus etsy ankilan’izay na mihena aza ny heriny, hoy hatrany izy, ka ho fisorohana ireo rehetra ireo miaraka dia ilaina ny fahampiana torimaso, fitandroana tsy ho vizaka, atao manatombo ny voankazo sy legioma eo amin’ny resaka sakafo hitazomana ny hery fiarovan’ny vatany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT