Fahasalamana

Aretina VIH-SIDA Ireo mitovy fananahana miaraka no tena be voa


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Maherin` ny 12 tapitrisa ireo olona miandry fitsaboana manokana amin` valanaretina VIH-SIDA.

 

 

 1,7 tapitrisa kosa no namindra izany vokatry ny tsy fandraisana an-tanana ara-dalàna. Raha ho an` i Madagasikara manokana dia 6799 ireo olona voamarina fa mitondra ny io tsimok`aretina. Azo ambara fa ambany raha mitaha amin` ireo firenena hafa ny olona tratran` ny tsimok`aretina eto amintsika izay tombanana 0,3%. Tsihivina fa nanomboka ny taona 2010 hatramin` ny 2019 dia olona 5723 no efa fantatra ofisialy fa mitondra ny tsimok`aretina ka ny 5 166 amin` izy ireo no nanaiky an-tsitrapo manaraka fitsaboina manokana. Araka ny fanadihadiana dia olona mitondra tsimok`aretina 6 251 amin` ireo fitiliana 177 937 izay natao izay voarakitra eo anivon` ny sampandraharaha misahana izany. 54,7% amin` izy ireo dia vehivavy avokoa raha toa 45,3% ny lehilahy. Ny 2,8% amin` io salanisa io no zaza avokoa no mitondra izay tsimok`aretina izay. Araka ny antontan`isa nivoaka tamin` ny fandaharanasan`ny ady atao amin`ny fiparitahan` ny valanaretina VIH-SIDA teo anivon`ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka dia ny teto amin`ny faritanin` Antananarivo no tena nahitàna olona betsaka mitondra ny tsimok`aretina nanomboka ny volana janoary hatramin` ny volana septambra farany teo ka nahatratra 1 255 izany. Raha ny fanadihadiana nataon` ny ESBC (Enquête de surveillance biologique et comportementale) dia ireo olona manao firaisana amin`ny mitovy fananana aminy (lahy sy lahy) no mitana ny lohalaharana amin` ny voan` ny SIDA. Manaraka azy ireo mpandray zavamahadomelina mahery vaika (tsindrona). Farany dia ireo mpampanofa tena. Ankoatra ny lafiny ara-pahasalamana, dia marolafy ireo sehatra hisedra olana amin` ireo olona miara miaina amin`nyVIH-SIDA. Voakasika izany ny lafiny sosialy, ny zo fototra amin` ny maha olombelona. Lohalevitra nentina tamin` ity taona ity ny hoe “Ny firaisankiana maneran-tany sy ny andraikitra tsirairay”. Omaly 01 desambra moa no nankalazaina ny andro maneran-tany ho hiadiana amin’ny SIDA.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT