Fahasalamana

Aretina tsy mifindra misy hifandraisany amin’ ny atidoha Mahazo vahana aty Afrika


  • Talata 23 Oktobra 2018

Manomboka mahazo vahana aty Afrika ankehitriny ny aretina tsy mifindra misy hifandraisany amin’ny atidoha.

 

 

  Anisan’ireny ny aretin’andoha, ny AVC, ny diabeta, ny fanintona mpahazo ny ankizy, ny tosidra izay nambaran’ny profesora Alain Tehindrazanarivelo sady ambasadaoron’ny vondrona Afrikanina fa  vokatry ny sakafo sy ny tsy fahaizana mitaiza vatana avokoa amin’ny ankapobeny. Ho an’ny tosidra, vokatry ny fihinanana sira be loatra no mahatonga azy. Tokony handeha dia an-tongotra hanatanja-batana kosa ho  an’ireo mararin’ny diabeta. Tena lafo dia lafo anefa ny fitsaboana ireo karazan’aretina tsy mifindra misy hifandraisany amin’ny atidoha ka mila mitandrina ny rehetra. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian’ny mpitsabo momba ny loha aty Afrika. Neurologue iray misahana olona 4 tapitrisa aty Afrika  raha manana 17 isa kosa isika eto Madagasikara miampy mpianatra miisa 10.  Nivoitra ireo rehetra ireo nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ilay kongresy ho enti-manatsara ny  fandraisana an-tanana ny aretina tsy mifindra misy hifandraisany amin’ny atidoha teny amin’ny hotel Panorama Andrainarivo omaly. Mpianatra 50 aty Afrika  misandrahaka amina firenena 15 isa no tonga mifanakalo traikefa mandritra izany hahafahana manampy sy manohana ireo mpitsabo eny ambanivohitra eto amintsika. Mbola betsaka mantsy ireo olana sedrain’ireny mpitsabo ireny eo am-panatanterahana ny asany ka mila tohana manokana izy ireny. Mahatratra 500 eo ny isan’ireo marary raisin’ireo mpitsabo an-tanana manampahaizana amin’izany ao anatin’ny telo andro, tranga misy   eto amintsika. Tonga nanokatra ny hetsika teny an-toerana ny filoham-panjakana Rivo. Anisan’ny manohana akaiky ny hetsika ny orinasam-pifandraisana Airtel izay miantoka ny connexion hahafahana mampita ny vaovao rehetra  manerana izao tontolo izao. Zava-dehibe amin’izy ireo loatra mantsy ny fiahiana ny fahasalamam-bahoaka tahaka izao.

 

 

 

 

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT