Fahasalamana

Aretina tsy mamela mahazo Maro ireo tratry ny homamiadan’ny prostaty sy ny nono


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Raha ny vehivavy hatrany hatramin’izay no fantatra fa betsaka lasibatry ny aretin’ny homamiadana dia maro ihany koa ireo lehilahy voany ankehitriny.

Ireo tratry ny homamiadan’ny prostaty no tena maro an’isa amin’izany vokatry ny fanaovana firaisana mihoatra ny mety sy ny fiovaovana vehivavy iarahana raha araka ny fanadihadiana natao. Mitovy amin’izay ihany koa ny vehivavy manana olona hiarahana maromaro, ka miteraka ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Misy koa anefa ireo vehivavy diso maro anaka loatra na tsy niteraka mihitsy izay lasibatra ihany koa hoy ny mpitsabo. Miseho amin’ny endriny maro ny aretina homamiadana toy ny fivontosana any amin’ny faritry ny nono ohatra ho an’ny vehivavy mihareraka, ny fanaintainana, mety mandeha ra ihany saingy tsy misy afa-tsy ny fanaovana fitiliana no hamantarana ny tena zava-misy marina. Nankalazaina ny sabotsy 04 febroary teo ny andro maneran-tany ho an'ny ady hatao amin'ny aretina homamiadana. Loha-hevitra nanamarihana izany ny hoe : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Raha tsiahivina moa dia vokatry ny fihanaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra ao anaty no mahatonga ny aretin’ny homamdiana ary ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voany avokoa. Raha hita sy voatsabo mialoha kosa anefa ity aretina ity dia ho mora sitranina ihany ka tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany raha vantany vao misy tranga hafahafa.
Pati
Legende : Mariky ny aretina homamiadana ny fisian’ny fivontosana amin’ny nono ho an’ny vehivavy (Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT