Fahasalamana

ARETINA TIBERKILAOZY Mitombo ireo olona voany eto amintsika


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Mitombo isa ireo olona lasibatry ny aretina tiberkilaozy eto amintsika, karazana kohoka mahery vaika izay mety hahafaty mihitsy raha tsy voatsabo.

 Raha miisa 36.000 mantsy izy tamin’ny taona 2020 dia tafakatra 41.128 ireo marary raisina an-tanana amin’izao taona 2022 izao. Ho an’ny tamin’ny taona 2020 manokana dia fantatra fa ny 82%-n’ireo marary no nanaraka ny fitsaboana. Ny 8% kosa no tsy nahavita nitsabo tena hatramin’ny farany izay marihina fa maharitra enim-bolana eo ho eo. Raha tsiahivina anefa dia maimaim-poana ny fanafody iadiana amin’ny aretina tiberkilaozy. Ho antsika eto Antananarivo ohatra dia eny amin’ny hopitaly CHRD Fenoarivo no mandray an-tanana azy ireny. Raha manaraka tsara ny toro-mariky ny mpitsabo sy misakafo ara-dalana ny marary iray dia tsy tokony hanano sarotra ny fitsaboana azy. Antony hanohanana ara-tsakafo ireo marary izany. Nisy omaly ny fizarana panier garnie ho an’ireo marary notanterahin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Izay marary andrianina no loha-hevitra nitondrana ny hetsika. Any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy moa no tena maro olona tratry ny aretina tiberkilaozy eto amintsika. Nomarihina omaly ny andro manerantany iadiana amin’ny aretina tiberkilaozy.
Pati
Legende : Hopitaly mandray an-tanana ireo mararin’ny tiberkilaozy ny CHRD ao Fenoarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT