Fahasalamana

Aretina tefoedra Karohana ny paikady hanafoanana azy


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Ny volana Oktobra ka hatramin’ny volana Martsa no tena mampirongatra sy mampahazo vahana ny aretina tefoedra eto amintsika.

Olona 200 mahery tamin’ireo 100.000 nanaovana fitiliana tany amin’ny Faritra Boeny mantsy no fantatra fa lasibatr’izany ka zaza ny ankamaroany. Vokatry ny rano fisotro tsy azo antoka, ny sakafo ratsy masaka ary ny tanana tsy voasasa avy any amin’ny toeram-pivoahana no voalaza fa antony mahatonga izany. Mba hahafahana manafoana io aretina io eto amintsika ary dia nisy omaly ny atrikasa niarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy avy eny amin’ny anjerimanontolo nampahafantarana ireo karazana voka-pikarohana momba ny aretina tefoedra sy hitadiavana vahaolana mifandraika amin’izany. Tanjona ny hamoahana paikady hahafahana manafoana io aretina io. Anisan’ny soso-kevitra nivoaka omaly ohatra ny tsy tokony hampandoavan’ny kaominina vola ireo te-hikaka izay efa 200 Ar be izao amin’izao. Raha sanatria ka tratran’ny aretina tefoedra mantsy ny olona iray dia nohazavainy fa hatao eny amin’ny sisin-dalana izany rehefa tsy manana 200 Ar izy ka vao mainka hiparitaka ilay aretina. Toraka izany ihany koa ny fampidirana ny vaksiny hahafahana miady amin’ny tefoedra eto amintsika ho an’ny zaza. Raha araka ny salan’isa navoakan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana moa na ny OMS dia mahatratra 11 ka hatramin’ny 20 tapitrisa isan-taona ireo olona tratran’ny aretina tefoedra manerantany ka ankizy avokoa ny 70%-n’izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny atrikasa notanterahina tetsy amin’ny Carlton omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT