Fahasalamana

ARETINA TAZOMOKA Olona 6 tapitrisa no voaaro tato anatin'ny 5 taona


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.

Vokatry ny fisian’ilay tetikasa Vectorlink natao nanerana ireo distrika 20 isa ao anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy no nahafahana nanatanteraka izany. Raha tsiahivina dia nanaisotra ireo toerana fanatodizan’ny moka eny anivon’ny tanimbary maherin’ny 8.000 ha ny tetikasa. Ankizy latsaky ny dimy taona miisa 900.000 sy vehivavy bevohoka miisa 200.000 no nahazo tombontsoa tamin'ity tetikasa ity vokatr’izany. Nihena noho izany ihany koa ireo olona matin’ny tazomoka tany amin’ny faritra. Ankoatra ny resaka fahasalamana moa dia olona manodidina ny 15.000 ihany koa no nahazo asa tamin’ity tetikasa ity toy ny famendrahana ranom-panafody... Nanomboka tamin’ny taona 2018 moa no nisian’ny tetikasa Vectorlink teto amintsika ka mitentina 12 tapitrisa dolara ny vola nampiasaina tamin’izany. Famatsiam-bola avy amin'ny Vinan’ny Filoha Amerikana ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) no nampandehanana azy teo ambany fiahian'ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena na ny USAID. Nambaran’i David Parks, Tale Lefitry ny Biraon’ny Fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara omaly moa fa rehefa hampiarahina amin’ny hetsika hafa toy ny fampiasana lay misy ody moka rehefa matory, ny fitsaboana ny vehivavy bevohoka, ary ny fizarana fanafody misy “artémisinine”, ny tetikasa dia afaka mandresy haingana ny aretina tazomoka isika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT