Fahasalamana

Aretina tazomoka Namono olona 4 sahady


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Mbola mahazo vahana eto amintsika ihany ankehitriny ny aretina tazomoka na dia efa betsaka aza ireo vahaolana atolotry ny fitondram-panjakana ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Mbola nahatratra efatra indray mantsy ireo namoy ny ainy manerana ny Nosy ny volana Janoary sy Febroary lasa teo ka ny roa tamin’ireo dia tany amin’ny distrikan’Ihosy,

Faritra Ihorombe avokoa. Tao Ambatomainty faritr’i Melaky kosa ny iray raha tao Benenitra Faritra Atsimo Andrefana ny iray ambiny. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan’ny dokotera Tiana Ramanantiaray, tompon’andraikitra voalohany misahana ny  aretina tazomoka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia efa nihena 45.938 ireo olona voan’ity aretina iray ity voamarina  manerana ny Nosy tamin’ny volana Febroary lasa teo raha mbola nahatratra 81.406 izany tamin’ny  volana Janoary. Isika eto Antananarivo no tena azo lazaina ho milamina amin’ny ankapobeny, hoy hatrany, ity dokotera ity satria dia mararin’ny tazomoka  iray amin’ny 1.000 isan-taona ihany no voamarina.  Nomarihiny manokana moa fa ny Faritra Melaky, Bongolava, Atsimo Andrefana misy ny distrikan’i Benenitra sy Ampanihy ary ao Ihosy Faritra Ihorombe no mbola ahitana  aretina tazomoka mahery vaika ankehitriny, ka ilana fitandremana. Ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana dia ny fizarana lay misy ody moka sy fanondrahana ranom-panafody no tena hitan’izy ireo fa vahaolana ankoatra ny fanentanana ny isan-tokantrano mba hiaro tena amin’ny kaikitry ny moka vavy mpitondra tazo, izay hita eny amin’ny rano madio miandrona toy ny eny an-tanimbary. Tsiahivina moa fa nisy ny lelavola 100 tapitrisa dôlara natolotry ny orinasa Novartis hanamboarana fanafody vaovao iadiana amin’ny aretina tazomoka. Tanjona ny hahafahana manafoana ity karazan’aretina iray ity hatramin’ny taona 2030. Miisa 438.000 moa ireo olona matin’ny aretina tazo moka maneran-tany tamin’ny taona 2015 raha niakatra  ho 445.000 izany tamin’ny taona 2016. Ireo ankizy latsaky ny dimy taona no ahiana mafy amin’izay satria dia zaza iray isaky ny roa minitra no lasibatra amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT