Fahasalamana

Aretina SIDA Vitsy ireo manao fitiliana


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Manodidina ny 0,3 % ireo olona lasibatry ny aretina SIDA eto Madagasikara raha 37 tapitrisa maneran-tany.

 1 tapitrisa hatreto ny isan’ireo olona efa namoy ny ainy raha mba efa nahitana fidinany hatrany amin’ny 18 % izany tato anatin’ny fito taona vokatry ny fikarohana ireo karazam-panafody hahafahana miady aminy sy ny teti-bola hampiasaina amin’izany. Ny mampalahelo anefa ho antsika eto Madagasikara manokana dia vao ny 10 %-n’ny olona monja  no nanao fitiliana, antony tsy hahatrarana ilay tanjona  90%, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Rantomalala Yoel. Olona 90 mantsy, hoy ity minisitra no tokony hanaiky fa marary izy rehefa manao fitiliana, mandeha mitsabo tena sy mihinam-panafody ireo 90 ireo avy eo ary tsy mamindra intsony amin’ireo olon-tiany 90 hafa. Nankalazaina ny sabotsy 01 desambra lasa teo ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina SIDA. Teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha no nanamarihana izany notarihin’ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao. Lohahevitra nampitondraina ny hetsika ny hoe : fantaro ny tenanao. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity tamin’izany fa aretina azo sitranina tsara ny SIDA ary tsy mahafaty raha toa ka manao fitiliana sy tonga mitsabo tena ireo marary. Miantso ny rehetra mba hifanentana sy hifanohana, araka izany, ny tenany hananan’ny Malagasy fahasalamana mirindra. Tsiahivina moa fa noho ny tsy fampiasana kapaoty, indrindra fa ho an’ireo olona manana sakaiza marobe no anisan’ny antony tena mampirongatra ny aretina SIDA eto amintsika ankoatra ny fifindrany amin’ny alalan’ny ra. Ho antsika eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa efa mahatratra 100 000 hatreto ireo nanao fitiliana tato anatin’ny iray volana.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT