Fahasalamana

Aretina SIDA Malagasy 2279 no voany, maro an’isa ny lehilahy


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Ny 0,2%-n’ny Malagasy no mitondra ny otrikaretina Vih/SIDA ankehitriny, izany hoe 2.279 izay efa mihinam-panafody manaraka fitsaboana avokoa.

 

Eto amin’ny Faritra Analamanga no tena maro an’isa amin’izy ireo, indrindra fa ny eto Antananarivo ka ireo lahy samy lahy miaraka no tena betsaka lasibatry ny aretina, raha araka ny fanazavan-dRazafimandimby Andriamandranto, tompon’andraikitra eo anivon’ny komitim-pirenena miady amin’ny SIDA.  Ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo  kosa no mitana ny laharana faharoa ahitana an’i Toamasina, manaraka azy Bongolava. Mba hahafahana manentana ny mpiara-belona hamantatra ny toe-pahasalamany ary dia hisy ny fitiliana maimaimpoana ny otrikaretina Vih/sida ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao eny amin’ny toerana hiaingan’ilay hazakazaka lavitr’ezaka iraisam-pirenena karakarain’ny World trade center, miaraka amin’ny federasiona malagasin’ny atletisma.  Tanjona ny hananan’ny isam-batan’olona fahasalamana izay tafiditra ao anatiny ny hazakazaka ara-panatanjahantena tahaka izao. Raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara moa dia roa tamin’ireo olona notiliana miisa 215 tamin’ny taona 2016  no fantatra fa voan’ny aretina SIDA izay noraisin’izy ireo niaraka tamin’ny CNLS an-tanana ny fikarakarana azy. Ny alahady 03 desambra ho avy izao moa no hanatanterahana ity hazakazaka ity, izay marihina fa andro iray tsy hisian’ny fiara mandeha mifamoivoy eto an-drenivohitra ihany koa ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Ny 01 desambra ho avy izao no higadona eto an-tanindrazana ireo teratany vahiny handray anjara amin’izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT