Fahasalamana

Aretina sarotra sitranina Ho avy ny fanamaivanana ny saram-pitsaboana


  • Zoma 16 Febroary 2018

Saika tsy mahatody fitsaboana hatramin’ny farany avokoa ireo olona marary eto amintsika noho ny halafosan’ny vidim-panafody sy ny hasarotan’ny fiainana.

  Voakasik’izany manokana ireo mararin’ny  homamiadana. Vitsiana izy ireo no mahatody ny fitsaboana hatramin’ny farany raha efa tena marary kosa ny 60 % vao tonga manatona tobim-pitsaboana. Misy  ireo mamoy ny ainy tsy fidiny vokatr’izany. Amin’ny ankapobeny anefa raha araka ny fanazavan’ny dokotera Randrianarivo, tompon’andraikitra misahana ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia sitrana eto amintsika avokoa ny 90 %-n’ireo karazana homamiadana raha hita mialoha. Ny fanaovana fitiliana ihany anefa hoy izy no vahaolana amin’izany, izay maimaim-poana ho an’ny hôpitaly HJRA etsy Ampefiloha. Mikasika ny fanohizana ny fitsaboana hoy hatrany ity dokotera iray ity dia efa eo an-dalam-pametrahana ilay “Couverture Sanitaire Universelle” ny fitondram-panjakana ankehitriny. Entina hanamaivana ny fitsaboana ireo lasibatry ny aretina sarotra sitranina toy ny homamiadana no tena tanjona amin’izany hoy izy. Latsak’emboka alohan’ny isan-tokantrano isam-bolana ao anatin’ilay « Caisse Nationale de Solidarité et de Santé » no hatao amin’izany, hoy izy ary afaka mitsabo tena mandavan-taona ireo mpikambana ao aminy. Any Vatomandry moa no hatomboka amim-pomba ofisialy ity tetikasa ity atsy ho atsy  izay nomarihiny manokana fa tsy lafo.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT