Fahasalamana

ARETINA RABOKA Manomboka mahazo vahana eny amin’ny fonja


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Manomboka mahazo vahana manerana ny fonja eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny aretina raboka, araka ny tatitry ny fikambanana Croix rouge iraisam-pirenena.

 Aretina misoko mangina izy io ka ireo tsy ampy sakafo no tena mahita faisana. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy ampy sakafo ny ankamaroan’ireo voafonja eto amintsika. Tsy manana afa-tsy 250 Ar isan’andro isan’olona hiantohana ny sakafo hanin’izy ireo ny fitondram-panjakana ka ny mangahazo maina no foto-tsakafony.  Miezaka ny mifanohana amin’ny fanjakana amin’ny fijerena azy ireny ny fikambanana Croix rouge iraisam-pirenena.  Mitety ireo fonja eto  Madagasikara izy ireo ankehitriny ka misy ny fitiliana ny aretina raboka maimaimpoana tanterahiny, arahin’ny fitiliana ny aretina VIH/SIDA ihany koa. Tafiditra ao anatin’ny sonia fifanekem-piaraha-miasa notontosainy niaraka  tamin’ny minisiteran’ny fitsarana tamin’ny taona 2016 izany ka misy mihitsy ny fampanaovana radio ireo marary. Ny 2/3-n’ireo marary hatreto no fantatra fa tena lasibatry ny aretina raboka. Tena betsaka io salan’isa io, hoy ny dokotera Philippe David, delegen’ny mpitsabo eo anivon’ny fikambanana. Hiezaka izy ireo hanao fitiliana maimaimpoana ireo marary manerana an’i Madagasikara mba tsy ny aretina raboka no antony voalohany hahafaty betsaka ireo olona voafonja eto amintsika. Nomarihiny manokana fa anisan’ny antony tena mampirongatra ny aretina raboka eny anivon’ny fonja ny hamaroan’ny voafonja diso tafahoatra, ny loto, ny tsy fahampian-tsakafo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT