Tamin’ity taona 2018 ity no nilamina indrindra ny aretina pesta teto amintsika, araka ny fanadihadiana natao.
Hatramin’ny fiandohan’ny volana aogositra, nifarana ny 5 novambra lasa teo mantsy dia nijanona ho 38 isa ireo olona voamarina fa voan’ity areti-mandoza ity ka ny 32 amin’ireo no fantatra fa voan’ny pesta atoditariana raha pesta aretin-tratra kosa no nahazo ny enina ambiny. Ny 28 amin’iretsy voalohany no fantatra fa mbola manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ary efa mihatsara tanteraka ny fahasalamany. Miantso ny olona mba tsy handoro tanety ka hiakaran’ny voalavo eny an-tanàna ny dokotera Mamisoa Herizolala, tompon’andraikitra eny anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka misahana manokana ny aretina pesta. Manentana ny rehetra mba hanaja ny fahadiovana ihany koa ny tenany ho fitandroana ny fahasalaman’ny tsirairay avy. Nomarihiny manokana fa distrika 11 isa no mbola ahitana aretina pesta eto amintsika toa an’i Betafo, Midongy atsimo, Ambositra, Moramanga, Ambalavao, Befotaka, Tsiroanomandidy….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.