Fahasalamana

Aretina pesta Tokony ho mailo hatrany ny rehetra, hoy ny minisiteran’ny fahasalamana


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Mbola mitohy hatrany ny fanentanana tanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny ady atao amin’ny aretina pesta amin’izao.

 
Raha araka  ny fanazavan’ny dokotera iray eo anivon’ny sampandraharaha mandray an-tanana ity aretina ity dia  ilay fotoana mafibe niparitahan’ny valanaretina no tapitra fa ny vanim-potoana hitrangany kosa mbola mitohy hatramin’ny volana aprily ho. Mbola mipetraka foana ireo toromarika nomena ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana manerana ny faritra tsirairay avy, hoy izy. Antsoina ny laharan-tariby 910 raha sanatria ka mahita na mahare trangan-javatra hafahafa hahafahana mampandre haingana ny tompon’andraikitra.  Mikasika ilay tranga tany Ankazobe farany teo moa dia nomarihin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana fa efa nisy ny asa fanondrahana ranom-panafody natao tao amin’ilay sekoly, narahin’ny fanadiovana ny manodidina rehetra.


Tsiahivina moa fa nahatratra 33 ny isan'ireo nararin’ny pesta aretin-tratra  nanaraka fitsaboana ny 09 novambra taona 2017 lasa teo.  Enina ny isan’ireo narary vaovao tamin’izany raha 1.154 kosa ireo efa sitrana. Iray  kosa  no namoy ny ainy. Mbola nahitana tranga iray hafa indray anefa tamin’ny tapaky ny volana janoary lasa teo saingy efa sitrana soa aman-tsara  ilay olona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT