Fahasalamana

Aretina pesta Ny ankizy sy ny tanora no tena lasibatra


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Hita tamin’ny antontan-taratasy tatitra momba ny fivoaran’ny aretina pesta eto Madagasikara navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS)

farany fa ny ankizy  (0 hatramin’ny 10 taona ) sy ny tanora (11 hatrammin’ny 20 taona) no tena maro voan’ny aretina pesta teo anelanelan’ny 1 aogositra ka hatramin’ny 19 oktobra 2017. Nahatratra 328 ny ankizy teo anelanelan’ny 0 hatramin’ny 10 taona no voa teo anelanelan’io vanim-potoana io, ny 150 zazalahy ary ny 178 zazavavy.Tafiakatra 21 ireo namoy ny ainy tao anatin’ireo. Ho an’ny elanelan-taona 11 ka hatramin’ny 20 taona indray dia 259 ireo tanora voan’ny pesta mitsinjara ho 135 lahy raha 124 vavy.16 no namoy ny ainy teto. Raha raisina kosa anefa ny elanelan-taona misy ny heverina fa olon-dehibe, izany hoe 31 ka hatramin’ny 40 taona dia 158 no voalaza fa voan’ny pesta teo anelanelan’ny 1 aogositra ka hatramin’ny 19 oktobra 2017 ary nahatratra 17 no maty. Miteny ny tarehimarika eto fa marefo kokoa ary mora voan’ny pesta ny ankizy sy ny tanora, izay zavatra lojika satria amin’ny maha ankizy azy dia mety mbola marefo fa tsy tahaka ny an’ny olon-dehibe ny hery fiarovana ao amin’ny vatany ka mora maka toerana ilay otrikaretina. Inoana fa ny fahafantarana ireo tarehimarika ireo no nahatonga ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nanapa-kevitra hoe tsy alefa mianatra mihitsy aloha ny mpianatra any amin’ireo Cisco fantatra fa ahitana ny valanaretina pesta, satria ny ankizy sy tanora no voaresaka eto.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT