107 ny isa ofisialy momba ireo matin’ny pesta nanomboka ny 1 aogositra 2017 hatramin’izao, ka ny 47 tany amin’ny hopitaly, ary 61 maty teny anivon’ny fiarahamonina.
689 ireo narary no voalaza fa efa sitrana. Mikorontana kosa ny tany ama-monina ary miroaroa saina ny olon-drehetra satria tsy mazava amin’ny vahoaka ny zava-misy, ary tsy ampy ny serasera. Mahazo tatitra matotra isan’andro ve ny vahoaka, indrindra fa ny any amin’ny faritra ? Tena tsy mirindra ny asan’ny governemanta. Ny minisiteran’ny fahasalamana milaza fa voafehy io, ny minisiteran’ny fanabeazana sy fampianarana ambaratonga ambony manambara fa tsy azo antoka tsara ny fahafehezana an’ilay otrikaretina, ka tsy mianatra aloha ny mpianatra hatramin’ny 5 novambra. Efa ho 1 volana izany izao no nikatso io fampianarana io. Ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka miezaka mandamin-dresaka fa tsy misy fiantraikany amin’ny fahatongavan’ny vahiny sy ny mpizahatany ny pesta. Manomboka mitoka-monina anefa i Madagasikara. Nampitandrina ny terataniny mikasa ny ho aty Madagasikara na efa eto ny governemanta Anglisy. Efa nanao an’io ny Amerikanina sy ny Frantsay. Ny taty amin’ny nosy manodidina moa efa ela no nanao izany, raha tsy hilaza afa tsy ny Nosy Seychelles, izay nanapaka ny serasera ana habakabaka mihitsy. Tsy andrenesam-peo ny minisitra hafa, na mody miteniteny fehezanteny vitsy dia izay ankoatry ny minisitry ny fahasalamana. Raharaham-pirenena izy ity sa raharahana departemanta iray, fa toa tsy taitra firy ny fanjakana ? Ampy ve ny mpiasan’ny fahasalamana sa tokony hanampy tosika ny miaramila tahaka ny fanao any amin’ny firenena sahirana ireny ? Mahavalalanina ny sain’ny maro ny fandraisana fanapahan-kevitra mandeha ila hoe ny fampianarana ihany no naato, fa ny mpiasa miasa, ny fiangonana mivoha ihany, ny tsena toy ny isan’andro kanefa samy manangona vahoaka izao ihany… Maro ny hetsika sy fampisehoana norarana fa nisy ihany koa ny navela noho ny resaka bizina sy kolikoly angamba.
HALOHALIKA NY RANOM-BARY
Ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ihany ve no manana fahatsapan-tena hiaro ny ain’ny mpianatra, izay vahoaka hiandraketany voalohany, fa ny minisitra hafa na tompon’andraikitra ambony maro tsy misaina afa tsy ny vola sy karama miditra any am-paosiny, ka aleo ho faty any izay maty ? Sa kosa efa kajy politika hafa mihitsy no antony ? Mihetsika ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS), ny Croix Rouge, ny SAMU Frantsay fa ny governemanta Malagasy kosa toa tsy rototra. Mitobaka ny vola avy any ivelany, ka eo amin’ny 10 tapitrisa dolara eo ho eo no efa azo hatreto. Raha izao no mitohy dia hatahorana ny hiakaran’i Madagasikara ao amin’ilay fanasokajiana “Phase 3”, ka hikatona ny sisin-tany, koa dia hitoka-monina ato ny firenena. Ny eto an-toerana tsy mahazo mivoaka, ny hafa any ivelany tsy mahazo miditra.Hita ho misahotaka tanteraka ny fitondram-panjakana ary tsy mirindra ny asa, io no antony mampalemy sy tsy mampahomby ny serasera momba ny pesta sy mahatonga ny Malagasy sasany tsy resy lahatra fa tena misy io aretina io.Ary ny tena loza dia hisy voka-dratsiny amin’ny toekarena sy ny fiainana amin’ny andavanandro ny mety ho fikatonan’ny sisin-tany satria maro be ny entana afarana avy any ivelany no tsy afaka miditra eto intsony; mazava ho azy fa hitotongana avy hatrany ny vola Malagasy satria navoaka ny tahiry vola vahiny nividianana entana kanefa tsy tafiditra eto ilay entana.Azo antoka koa ny fisian’ny krizin’entana satria maro ny zavatra jifaina eto Madagasikara no afarana avy any ivelany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.