Fahasalamana

Aretina pesta Mbola mari-drefy faharoa i Madagasikara


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Anisan'ny niteraka fanontaniana teny anivon'ny fiarahamonina tato ho ato ny famaritana ny haavon'ny aretina pesta eto amintsika izay navoakan'ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS.

 Nambaran'ny dokotera Rakotoarivony Manitra talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana fa eo amin'ny mari-drefy faharoa isika eto Madagasikara ankehitriny, araka ny fandrefesan'ny OMS azy. Anisan'ny  jerena ao ny vokatry ny fisian'ny aretina amina toerana iray,  ireo ahiahiana ho voan'ny aretina, ny isan'ny olona maty, ny fifindran'ny aretina... antsoin'ny OMS hoe : "conséquence moderée" izay mbola hiainantsika hatramin'izao. Nomarihin'ny dokotera Manitra anefa fa tamin'ny fotoana nampirongatra ny aretina teto amin'ny faritra Analamanga sy Toamasina io mari-drefy napetraky ny OMS io, izany hoe efa nidina ambany be ankehitriny ary mety ho lasa any amin'ny mari-drefy voalohany mihitsy.  Mikasika ny mari-drefy fahatelo indray dia nohazavainy fa "conséquence importante" no hamaritan'ny OMS azy, izany hoe  be dia be ny isan'ny maty mihoatra  amin'ny isan'ireo olona voan'ny aretina. Notsindriany manokana anefa fa efa latsaky ny 10 % ny antsika eto Madagasikara ankehitriny ary tsy mihoatra ny 17 % hatramin'ny volana aogositra niantombohan’ny aretina. Mikasika ilay  fifehezana ny aretina manokana dia nomarihin'ny dokotera Manitra fa voafehy ny aretina ho an'ireo izay tonga eny anivon'ny tobim-pahasalamana. Manana fanafody betsaka mantsy isika, ankoatra ireo antibiotika sy ny tsindrona. Vahaolana hafa tadiavin'ny minisiteran'ny fahasalamana amin'izao ny hanamaivanana ny olana sedrain'ireo mararintsika izay mitsindrona isaky ny adiny telo mandritra ny valo andro. Efa voafehy ihany koa ny any ivelany amin'ny alalan'ny fametrahana ny klinika maobila. Mikasika ny fahataran’ny antontan’isa momba ny aretina pesta havoakan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary moa dia nanambara ity dokotera iray izy fa efa eo am-pikarakarana tanteraka izy ireo ankehitriny. Hiova ihany koa ny vaovao azon’ny rehetra satria handeha isaky ny hopitaly toy ny isan’ny marary, ny maty, ireo ahiahiana, ireo sitrana ka efa nampodiana…


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT