Vaovao lehibe mbola mitana ny sain’ny maro hatreto ny fiparitahan’ny aretina pesta eto amintsika.
Nitondra fanazavana mikasika azy ity ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana, omaly, ka nambarany fa tafakatra 28 ny isan’ireo olona maty hatreto manerana ny Nosy. Miisa 157 kosa ireo olona ahiahiana ho voa, izay tsy ananana porofo mazava. Ny valo amin’ireo maty dia teto Antananarivo avokoa, trangam-pahafatesana izay notsindriany mazava tsara fa tsy vao omaly fa efa nanomboka tamin’ny faran’ny volana aogositra no ho mankaty. Ho antsika eto Antananarivo manokana dia miisa 16 ireo marary tazonina eny anivon’ny hopitaly amin’izao. Ho an’i Toamasina indray dia tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy, ka tamin’ny 22 septambra lasa teo no nisy trangam-pahafatesana farany, araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany. Ho an’ireo marary kosa indray dia miisa 38 izy ireo ka ny enina mbola tazonina eny anivon’ny hopitaly PPH any an-toerana, manaraka ny fitsaboana akaiky. Nomarihin’ny minisitra fa ilay karazana “peste pulmonaire urbaine” ity mandripaka olona eto amintsika ankehitriny ity, aretina izay mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora. Ilay marary avy any Ankazobe nihazo an’i Toamasina no tena nitondra azy. Hafampana ny fanentanana ny fiarahamonina mikasika ny fisian’ny aretina sy ny fepetra tokony horaisina, raha vantany vao misy toe-pahasalamana tsy mifanaraka amin’ny mahazatra. Hanampy ny minisitera ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika maro toy ny UNFPA, ny OMS izay nanolotra lelavola 3 hetsy dolara sy fanafody ary fitaovam-pitsaboana, ny UNICEF, ny banky iraisam-pirenena, ny USAID, izay nahatonga solontena tetsy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka avokoa, omaly. Marihina fa nosokafana mba handray ireo olona mararin’ny pesta avokoa, hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo, ireo hopitaly rehetra manerana ny Nosy, mba tsy hivezivezen’ny marary ka hampiparitaka haingana ny aretina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.