Fahasalamana

Aretina pesta 15 ireo olona voamarina fa tratrany


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Raha ny tarehimarika voaray avy amin`ny minisiteran`ny fahasalaman-bahoaka, miisa 15 no voamarina fa misy trangana pesta amin`ireo olona natao fitiliana.

 

 

 

Miisa 12 ireo tratran`ny pesta atoditariana ary 3 ny aretin-tratra (pulmonaire). 5 amin`izy ireo no nodimandry fa ireo folo ambiny kosa nanaraka fitsaboana teny amin`ny tobim-pahasalamana avokoa ary sitrana soa aman-tsara. Ankazobe, Ambatofinandrahana, Miarinarivo, Ambalavao, Midongy Atsimo, Tsiroanomandidy no faritra nahitana ireo tranga 15 ireo. Araka ny fanazavana nentin`ny teo anivon`ny minisitera, matoa voamarina ireo tranga ireo dia nandalo “test biologique” teny amin`ny Institut Pasteur de Madagascar satria  tsy maintsy ilana ny hevitry ny laboratoara eken`ny iraisam-pirenena na OMS. Mitohy hatrany kosa ny fepetra raisina raha toa ka misy faritra na trangana pesta ahiahiana. Vantany fa vao misy ny tranga mampiahiahy dia maniraka mpitsabo manokana midina ifotony avy hatrany ny minisitera. Ireo fianakaviana nifanerasera tamin`ilay olona nahitana soritra aretina pesta, ohatra, dia nomena ilay fanafody fiarovana. Eo ihany koa ny famonoana parasy na koa fangalana voalavo mba ahafahana mijery ny fiovan`ilay bakteria. Manentana hatrany ny minisiteran`ny fahasalaman-bahoaka hiantso ny laharana 910 raha misy ahiahiana ho tratr’ilay aretina. Nihamaro ny olona niantso io laharana io nanomboka ny volana aogositra lasa teo ka amin`izao dia mandray antso andro aman’alina ity sampandrahraha ity.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT