Fahasalamana

Aretina NOMA Mamono ankizy hatramin’ny 90.000 isan-taona


  • Talata 25 Aprily 2017

Aretina tsy dia be mpahalala firy nefa mamono ankizy 80.000 ka hatramin’ny 90.000 isan-taona maneran-tany ny Noma raha ny tarehimarika navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana.

 

 Hafa dia hafa ny fisehon’ny aretina amin’ny ankapobeny. Potika tanteraka ny endrik’ilay zaza vokatry ny fahasimban’ny sela ao anatiny sy ny akanjonifiny…Ireo ankizy teraka tsy tonga volana sy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny ankapobeny no mitondra faisana. Anisan’ny antony mahatonga ny aretina ihany koa ny loto sy ireo karazana areti-mifindra. Antom-pijoroan’ny fikambanana “Les enfants du Noma” eto amintsika izany mba hahafahana manampy ireo ankizy madinika ampahorian’ity aretina iray ity. Ny taona 2001 no niorina ny fikambanana tarihin’ny dokotera Bellety sy Costini. Mitsabo ireo ankizy sima sy misy fivontosana ihany koa izy ireo, indrindra ireo mila fandidiana maika. Tafiditra ao anatin’izany ny aretina Noma izay ny famerenana amin’ny laoniny ireo faritra potika ihany no hany vahaolana tokana. Hanohana azy ireo ny vondrona Star, izay misy dokotera mpandidy roa, dokotera mpampatory roa, mpitsabo mpanampy roa… Tany Vatomandry no nisantarana azy ity nanomboka ny fiandohan’ny volana aprily teo ka marary miisa 45 no nozahana ny fahasalamany, iray no mararin’ny Noma. Any Antsirabe kosa no hotanterahina ny hetsika faharoa amin’ny volana oktobra ho avy izao. Ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika no tena betsaka zaza lasibatry ny aretina Noma.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT