Aretina iray anisan’ny mamono ankizy latsaky ny dimy taona 80.000 ka hatramin’ny 90.000 isan-taona ny aretina Naoma, raha araka ny tarehimarika navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana.
Ireo ankizy teraka tsy tonga volana na tsy ampy sakafo no tena lasibatry ny aretina amin’ny ankapobeny izay mety hiafara amin’ny fahasimban’ny endrika iray manontolo mihitsy. Noho io antony io indrindra no nitsanganan’ny fikambanana « Les enfants du Noma » tamin’ny taona 2001. Ny Dokotera Bellety sy Costini no anisan’ny tompon’antoka tamin’izany izay mandray an-tanana maimaimpoana ireo ankizy marary. Nandeha nitety toerana maro toy ny tany Mali… izy ireo tamin’izany ka nahita ankizy mijaly marobe toy ny fahasembanana…Tapa-kevitra ireo dokotera roa ireo taorian’izany fa handidy sy hikarakara ireo ankizy sembana ihany koa ka anisan’ireny ireo sima sy mivadi-tongotra. Tsy latsa-danja amin’izany ireo ankizy mararin’ny Noma izay amin’ny alalan’ny fandidiana tokana ihany koa no hahafahana manasitrana azy. Mandalo sy mitsidika antsika eto Madagasikara ity fikambanana iray ity ankehitriny. Ankizy miisa 75 hatreto no efa nodidian’izy ireo maimaimpoana tao anatin’ireo 200 isa izay efa noraisiny an-tanana nanomboka tamin’ny taona 2017. Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany ny tao Vatomandry sy Antsirabe. Mbola hiverina ao Antsirabe indray izy ireo ny 20 martsa ho avy izao vokatry ny fanampian’ny vondrona Star izay hiantoka ny momba azy ireo rehetra. Ankizy miisa 150 no hahazo tombontsoa amin’izany ka ny 60 dia hodidiana avy hatrany. Avy any Vatomandry no hanohizana ny hetsika amin’ny volana mey sy jona ho avy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.